DNYUZ
No Result
View All Result
DNYUZ
No Result
View All Result
DNYUZ
Home News

Miharingana ny gidro maneran-tany. Ity no hany fomba hamonjena azy ireo.

December 8, 2025
in News
Miharingana ny gidro maneran-tany. Ity no hany fomba hamonjena azy ireo.

MAHALEOTSE, Madagasikara — Indray maraina tsy nisy rahona, tamin’ny volana Septambra, dia nitaratra niditra avy eny amin’ny ravin’aviavy lehibe iray ny tara-masoandro, teo akaikin’ny moron’ny reniranon’i Onilahy, izay manomboka any atsimo-andrefan’i Madagasikara ka mikoriana mankany amin’ny Lakandranon’ny Mozambika. Nitsiry teo an-tampon’ilay hantsana kely ilay hazo, ary ny fakany naniry nanaraka ny sisin’ny hantsana toy ny labozia mitsonika.

An upward view of giant tree roots spilled over the side of a cliff within a forest
Aviavy lehibe iray maniry eo amin’ny sisin’ny vatolampy akaikin’ny tanànan’i Mahaleotse, any atsimo-andrefan’i Madagasikara. | Garth Cripps ho an’i Vox

Niakatra teny amin’ilay hantsana aho mba hahita tsara kokoa ny tampon’ilay hazo, ary nahita zavatra nibanjina ahy tampoka: gidro iray. Fotsifotsy sy somary matevina ny volony, mainty ny tavany ary ngeza ny masony, ary ny rambony koa dia farafahakeliny mitovy halava amin’ny vatany. Tsy gidro tsotra fotsiny toy ny rehetra anefa izy io fa Sifaka Verreaux — karazany efa tena tandindonin-doza, ary efa ela no nandrandraiko hahitana an’izany tamin’ny fiainako.

Ity tantara ity dia ampahany iray amin’ny andiany maromaro.

Namoaka tantara andiany telo momba ny fiarovana ny tonolo iainana eto Madagasikarany Vox tamin’ity fararano ity, tohanan’ny BAND Foundation. Ity tantara ity dia ampahany faha-2. 

Madagasikara, nosy iray any atsinanan’ny kaontinanta Afrikana, no hany toerana eto an-tany ahitana gidro. Maherin’ny zato ny karazana gidro, ary saika izy rehetra dia tandindonin-doza ho lany tamingana, anisan’izany ny sifaka. Ny fahavalony dia ny fandripahana ala; ny gidro rehetra dia miankin-doha amin’ny ala satria io no sakafony sy fialofany, kanefa dia efa potika avokoa ny antsasakin’ny ala, na mihoatra aza, ao amin’io firenena io.

Eto Madagasikara, tsy toy ny any amin’ny firenena hafa be ala, ny tena ankamaroan’ny fandripahana ala dia tsy vokatry ny fambolena sy fiompiana indostrialy goavana izay matetika maha mpanakarena ireo orinasa lehibe. Ny fianakaviana tsotra no manapaka hazo eto, mba hahazoan’izy ireo toerana hambolena na kitay handrahoana. Izany no fomba entin’ny olona mamelontena sy hahazoany vola. Tsy dia manan-tsafidy firy ny olona; isan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara, ary vitsy dia vitsy ny sehatra ara-toekarena ahazoan’ny mponina fidiram-bola izay tsy miankina amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary.

Manoloana io zava-misy mampalahelo io, dia niseho ho mariky ny fanantenana ilay sifaka teo anoloako. Ny hany antony nahatonga azy mbola ho eo dia satria mbola velona ilay hazo nisy azy. Ary mbola velona ilay hazo, satria ireo tanàna manodidina dia niady mafy mba hiaro ny ala iombonany, na dia teo aza ny sakana sy ny fahasahiranana.

Miara-miasa amin’ny World Wildlife Fund, izay iray amin’ireo fikambanana lehibe indrindra eran-tany miaro ny tontolo iainana, ireo tanàna ireo ary namorona fomba vaovao hahazoana vola izay tsy manimba ny ala. Asehon’izy ireo miaraka ny singa tena ilaina mahatonga ny fiarovana ny tontolo iainana hahomby any amin’ireo faritra mahantra indrindra eto an-tany: voalohany, mamantatra sy mamaly ny filàn’ny olona; ary avy eo dia miala tsikelikely izy ireo mba hahafahan’ny olona mitantana izany samy irery.

Ilay gidro hitako dia monina ao amin’ny lohasahan’i Onilahy, any atsimo-andrefan’i Madagasikara, tsy lavitra ny morontsiraka sy ny tanàna lehibe indrindra amin’ny faritra, antsoina hoe Toliara. Hafahafa be izay io toerana io — fifanenan’ny tany karankaina sy ny ala, kirihitr’ala fohy sy feno tsilo no maniry eo akaikina ala feno hazo lava. Maina ny faritra atsimon’i Madagasikara, kanefa misy rano betsaka eto noho ny fisian’ny renirano sy loharano voajanahary maro.

Tamin’ny andro vao maraina sy mafana iray, rehefa hifarana ny ririnina aty amin’ny Tendrontany Atsimo, dia nandeha avy tao Toliara aho hankany amin’ny tanàna kely iray akaikin’ny renirano, antsoina hoe Maroamalo. Lalan-tany sy feno lavaka be ny lalana, ka niampy ny fitohanana vokatry ny osy maromaro teny an-dalana, dia lasa adiny telo mahery ny dia tokony ho 25 kilaometatra monja sady namparary ny fitombienana.

A landscape shot of cropland
A sunbird perched on a sparse tree
Ambony: Tanimboly manaraka ny reniranon’i Onilahy, akaikin’ny tanànan’Ifanato. Ambany: Soimanga vavy iray amin’ny morontsiraka akaikin’ny tanàn’ny Mangily. | Garth Cripps ho an’i Vox

Maroamalo dia iray amin’ireo vondron’olona maro manampy amin’ny fiarovana ny ala feno gidro ao amin’ny faritra amoron’i Onilahy. Miara-miasa amin’ny WWF izy ireo mitantana ny faritra arovana antsoina hoe Amoron’i Onilahy. Manodidina ny 100 482ha ny haben’ilay faritra — somary lehibe kokoa noho i New York City — nefa mandrakotra tontolo iainana maro samihafa, manomboka amin’ny tany mando ka hatramin’ny alana hazo misy tsilo, ary misy karazana zavamananaina tsy fahita firy maro, ary ahitana karazana gidro valo.

Amin’ny lafiny sasany, Amoron’i Onilahy dia toa endrika kelin’i Madagasikara. Feno karazana rohivoahary samihafa ity nosy ity, ary izany no antony iray mahatonga azy hanana taha ambony eto an-tany amin’ny fisian’ny zavamananaina tsy fahita afa-tsy ao aminy ihany.

Ny faritra arovana — izay matetika sakana hoan’ny asa sasantsasany izay manimba ny tontolo iainana sy manohintohina ny harena voajanahary — dia manana vokatra samihafa eo amin’ny fahombiazana. Tena marina izany eto Madagasikara. Maro ny fikarohana no nahita fa mbola misy fanimbana hazo atao na dia ao anatin’ireo faritra arovana ara-panjakana aza, anisan’izany ireo tantanan’ny vondron’olona ifotony. 

a woman planting rice in a river in a valley
Ankavia ambony: Raketa sy zavamaniry hafa mahazaka haintany izay maniry eny an-dalana mankany Maroamalo. Ankavanana ambony: Andian’osy — izay marikin’ ny harena raha amin’ny tanàna sasany eto Madagasikara — mandalo ao Maroamalo. Ambany: Tantsaha manetsa vary manaraka ny reniranon’i Onilahy, izay manome rano ity faritra maina ity. | Garth Cripps ho an’i Vox

Antony iray mahatonga izany dia ny tsy fahampian’ny vola entina hanarahana maso ireo faritra arovana midadasika eto Madagasikara izay iharan’ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna. Fa ny olana lehibe kokoa dia vitsy ny faritra arovana mijery mivantana ny tena antony mahatonga ny olona hanapaka hazo: ho fivelomany. Raha tokony misafidy ny fandikan-dalàna na ny famelomana ny fianakaviany, dia ny fahavelomana no fidin’ny olona. “Ny fandripahana ala sy ny fampiasana tsy ara-dalàna dia mbola misy fiantraikany amin’ny ankamaroan’ny faritra arovana rehetra, na dia efa 30 taona aza no nanaovana ezaka hentitra ho fiarovana ny tontolo iainana,” hoy ny fanambaran’ireo mpanoratra amin’ny fikarohana iray.

Inona no zava-nitranga tamin’ny governemanta Malagasy?

Tamin’ny 25 Septambra, andro nialako tany Madagasikara hiverina aty Etazonia, dia nipoaka ny hetsi-panoherana tao Antananarivo, hanoherana ny governemanta notarihin’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany. Naneho fahatezerana ireo mpanao fihetsiketsehana — izay ny tanora Gen Z no betsaka — noho ny tsy fisian-drano, ny fahatapahan-jiro, ary ny tsy fisian’ny asa.

Nihothy nandritra ny andro maromaro ny fihetsiketsehana, Nihanitombo bebe kokoa ny fitarainana toy ny kolikoly sy ny fitantanana tsy nety. Ary tamin’ny 14 Oktobra, dia nesorina tamin’ny toerany i Rajoelina, ary ny miaramila no naka ny fitondrana. Colonel Michael Randrianirina ankehitriny no mitarika ny governemanta vonjimaika tokony hikarakara fifidianana ao anatin’ny roa taona.

Ity korontana eo amin’ny fitondrana ity dia mampiseho ny halalin’ny filàn’ny olona eto Madagasikara, izay manosika ny olona hiantehitra amin’ny fitrandrahana loharanon-karena voajanahary izay maimaim-poana. Matetika ihany koa ny tranga toy izany no manetsika ny fandripahana ala sy manasarotra kokoa ny fahombiazan’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsizarizary ny fampiharana ny lalàna rehefa misy krizy politika, ka mampitombo ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna, ary manelingelina ny fikarohana siantifika sy ny fizahantany izay manohana ny asa fiarovana ny tontolo iainana.

Saingy toa hafa mihitsy ny ao Amoron’i Onilahy.

Misy zavatra vitsivitsy hitanao avy hatrany ao Maroamalo: trano maro vita amin’ny fotaka, vato, sy ravin-kazo; misy akoho, gana, ary osy mandehandeha eran’ny tanàna, ary eo an-damosin’ny afovoan-tanàna, rehefa midina mankany amin’ny amoron’ny renirano, dia misy tanimboly maitso be mivelatra, izay misongadina manoloana ny tany maina manodidina azy. Toa nisy lamba firakotra maitso napetraka manarona ny lohasaha.

Maneran-tany, ny fambolena no loza lehibe indrindra mitatao amin’ny harena voajanahary. Mba hahafahana mamaly ny fitomboan’ny filàna sakafo eran-tany, matetika ny orinasa fambolena lehibe no manapaka ala sy manimba tontolo voajanahary hametrahana voly sy fiompiana. Fa eto Maroamalo, ny fambolena mihitsy no manampy mitazona ny ala tsy ho potika.

Iray ampahatelonn’ny olona eto Madagasikara ihany no manana herinaratra, ary vitsy lavitra no mampiasa entona voajanahary. Izany no antony mahatonga ny olona rehetra hahandro  sakafo amin’ny kitay na arina (charbon) ho an’ireo an-tanàn-dehibe — karazana fandrehitra be karbonina vokarina amin’ny sampana hazo. Eo amin’ny tanàna toa an’i Toliara, ny fanaovana arina (charbon) no fomba hahazoan’olona vola hividianana sakafo, fitaovam-pianarana, ary vola fitsaboana. Gony iray amin’ny 50 kilao dia mitentina 8 000 Ariary ka hatramin’ny 12 000 Ariary. Eto Madagasikara, ampy izany hividianana sakafo maromaro.

Efa fahita taloha tany amin’ireo tanàna manodidina, toy i Maroamalo, ny fanaovana arina, hoy i Nanie Ratsifandrihamanana, izay mitarika ny asa ataon’ny WWF eto Madagasikara. Izany no antony iray naha-lany hazo betsaka teto amin’ny lembalemban’ny reniranon’i Onilahy. Nampitombo ny fahapotehan’ny ala koa ny fambolena miovaova toerana, izay fantatra kokoa amin’ny hoe tavy. Mandoro ala ny olona mba hanadiovana toerana hambolena; rehefa lany tsiro ny tany ary maro ny ahitra ratsy, dia averiny indray izany amin’ny toerana hafa. Saika manerana an’i Madagasikara manontolo, ary koa amin’ny ankamaroan’i Afrika, dia ireo no antony roa lehibe indrindra mahapotika ny ala.

Fantatry ny WWF hatry ny ela ireo olana ireo. Noho izany, efa ho folo taona mahery lasa izay, dia nanomboka niresaka tamin’ny vondron’olona ifotony teto ireo mpiasa, mikasika ny fomba hahazoan’izy ireo vola nefa tsy manapaka hazo. Nahasarika olona io hevitra io. Rehefa niresaka tamiko tao ambanin’ny hazo nimo lehibe tao Maroamalo ry zareo, dia nilaza ireo mponina fa hitany ihany koa ny olana nateraky ny fandripahana ala. Hoy izy ireo tamiko: rehefa tsy nisy ny foton-kazo hitazona ny tany, dia nanomboka nikaohin’ny rano ny tany, ka lasa sarotra kokoa ny fambolena. Ny fahavitsian’ny hazo koa dia nahamaina tany sy nampitombo ny mety ho tondra-drano.

Ankavia ambony: Lakana iray mitondra gony misy arina (charbon) an-dranomasina any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Ankavanana ambony: Tanimboly maitso ao ambadikin’ny tanànan’ny Maroamalo. Ambany: Topi-maso avy eny ambon’ny tananan’i Maroamalo. | Garth Cripps ho an’i Vox

Niaraka niasa tamin’ireo tanàna manaraka ny renirano ny WWF tatỳ aoriana — izay ampahany amin’ny faritra arovana ankehitriny — mba hanangana toekarena tsy miankina amin’ny fanimbana ny hazo sisa tavela. Ary tao Maroamalo, dia ny fambolena legioma no lasa fivelomana, na dia toa mifanohitra amin’ny eritreritra voalohany aza izany. 

Tsy mijanona amin’ny voly fototra toy ny mangahazo sy katsaka fotsiny intsony ny olona, fa nanomboka namokatra karazana legioma maro amidy any Toliara. Ny WWF no manome masom-boly sy fiofanana momba ny fomba fambolena mahomby kokoa, tsy mila mandoro na manitatra tany mankany anaty ala. Manampy azy ireo ihany koa izy amin’ny fifandraisana amin’ny mpividy any an-tanàna, anisan’izany ny hotely. Ny tanjona dia hoe: raha mahazo vola bebe kokoa ny olona amin’ny fambolena dia tsy mila manapaka ala hanaovana arina (charbon) intsony.

Ary izany indrindra no mitranga.

Trano maro ao Maroamalo dia vita amin’ny vato, fotaka, ary ravinkazo, tahaka ireo aseho eto. | Garth Cripps ho an’i Vox
Polisin’ala iray ao amin’ny tanànan’Ifanato mijery ny hazo mitady gidro. | Garth Cripps ho an’i Vox
Mme Lalao, tantsaha avy ao Maroamalo, ao an-tranony. | Garth Cripps ho an’i Vox
Mponina avy amin’ny tanàna iray hafa antsoina hoe Ambiky mamboly zana-kazo tahaka ity hanarenana ny ala ao amin’ny faritra arovana. | Garth Cripps ho an’i Vox

Tamini’ny maraina iny ihany, dia nitondra ahy nitsidika ny tany fambolena legioma i Mme Lalao, mponina ao Maroamalo izay miandraikitra ny fambolena ao amin’ny tanàna. Nasehony tamiko ny karazana fambolena folo mahery — ahitana voatabia, laisoa, tongolo, sns — natao andalana milamina tsara, toy ireo hitanao any Californie.

Saika ny rehetra ao Maroamalo ankehitriny no miasa amin’ny fambolena, hoy izy, ary izany no lasa tena iankinan’ny toekarena eto. Ny tantsaha iray mamboly legioma dia afaka mahazo manodidina ny 97 000 Ariary  isam-bolana, araka ny filazan’i Mercie Ramilanajoroharivelo, mpiasa ao amin’ny WWF miara-miasa amin’ny vondron’olona ifotony. Ambony lavitra noho ny vola azon’ny olona amin’ny fivarotana arina (charbon) izany, hoy Ramilanajoroharivelo tamiko.

“Tsy nanana traikefa tamin’ny fambolena izahay taloha, ka nandeha nanao arina (charbon) tany an’ala ny olona,” hoy i Lalao tamin’iny maraina iny. “Fa ankehitriny eto izy ireo no miasa.”

A man driving a cart led by two zebu
Sarety sintonin’omby no mahazatra kokoa eny amin’ny arabe ao Amoron’i Onilahy fa tsy fiara. | Garth Cripps ho an’i Vox

Tsy ampy hiarovana ny ala sy ny gidro ao Amoron’i Onilahy raha ny fananganana loharanom-bola vaovao ihany. Na dia tsy dia manao arina (charbon) intsony aza ny mponina ao anatin’ilay faritra arovana, dia mbola misy olona avy any amin’ny faritra hafa mifindra eto manapaka hazo. Olana mahazatra eto Madagasikara izany. Rehefa sarotra ny fambolena na ny fitadiavana hazo noho ny fandripahana ala, ny haintany, na ny tondra-drano amin’ny faritra iray, dia mifindra any amin’ny faritra hafa ny olona mitady fiainana tsaratsara kokoa. Ary vao mainka mampitombo izany fifindra-monina izany ny fiovaovan’ny toetrandro.

“Raha tsy manana na inona na inona intsony ianao, dia lasa mifindra any amin’ireo toerana ahafahanao mitrandraka harena voajanahary maimaim-poana,” hoy i Charlie Gardner, mpikaroka sy mpanoratra nianatra momba ny fiarovana tontolo iainana eto Madagasikara. “Toerana roa izany: ny amoron-dranomasina izay ahafahana manjono manao tarikaky (seine de plage), na ny ala izay ahafahana manao arina (charbon). Ny asa toy ny fanamboarana arina (charbon) dia fivelomana sisa farany azo itodihana.”

Two butterlies at night, resting on small branches
Lolo “African Queen” matory ambonin’ny ratsan-kazokely iray hita nandritra ny dia an-tongotra amin’ny alina, akaikin’ny tanànan’Ifanato. | Garth Cripps ho an’i Vox

Midika izany fa mba hiarovana ny hazo ao Amoron’i Onilahy, dia mbola tsy maintsy manara-maso ny ala amin’ny fanapahana hazo ireo mponina ao an-toerana.

Nony afaka kelikely tamin’iny andro iny ihany, rehefa avy nandany ny maraina tao Maroamalo aho, dia nandeha tamin’ilay lalan-tany miditra lalindalina kokoa ao anatin’ilay faritra arovana, mankany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mahaleotse. Eto, lehibe kokoa ny alan-kazo. Nisy hazo lehibe kokoa, kirihitra matevina kokoa, ary biby maro. Nandritry ny dia an-tongotra tany anaty ala tamin’ny alina, nahita tanalahy miery tao anaty rantsan-kazo aho; fanihy manidinaambony loha; ary mazava ho azy, kadradraka misioka (ary tena misioka tokoa, rehefa avy nojereko).

Ny ampitso maraina, tamin’ny fiposahan’ny masoandro, nihaona tamin’ny vondron’ny lehilahy avy ao Mahaleotse aho, antsoina hoe polisin’ala, na mpiambina ala. Ireo tanàna ao amin’ny faritra Amoron’i Onilahy miasa miaraka amin’ny WWF dia manana ekipa mpanara-maso ny ala izay karamaina. Mandeha manodidina ny ala izy ireo in-10 isam-bolana, mahazo eo amin’ny 10 000 Ariary isaky ny fisafoana avy amin’ny WWF. Raha mahita fanapahana hazo tsy ara-dalàna izy ireo, dia miezaka manakana izany ary mitatitra ny fandikan-dalàna any amin’ny fiarahamonina sy ny manam-pahefana misahana ny tontolo iainana. Amin’ny tranga sasany, tsy maintsy mandoa onitra ny mpanao heloka.

Asa sarotra izany. Matetika tena sahirana ara-bola ireo olona avy any ivelany tonga manapaka hazo eto, nefa ny mponina eo an-toerana tsy te hanimba ny ala manodidina azy sy ny tombontsoa omeny. “Sitrapon’izy ireo ny nanimba ny alany, ka tsy midika izany hoe hahazo hanimba ny anay koa izy ireo” hoy i Renama Zatompo Mahinty, iray amin’ireo polisin’ala ao Mahaleotse, miresaka momba ireo olona avy any amin’ny tanàna hafa. “Raha rovitiko ny akanjoko, tsy midika izany fa manana zo haka ny an’ny hafa aho.”

Raha mbola re ilay hatsiaka vao maraina, dia nanaraka ireo lehilahy nanao fisafoana aho. Nijanona teo anoloan’ny aviavy lehibe iray i Ramilison Roland, iray amin’ireo polisin’ala, vetivety taorian’ny nanombohan’ny dia, ary nanondro teny ambony. Tao anatin’ny sampan-kazo sy ravina mifangaro, nahita maky efatra aho mitangorona amin’ny sampan-kazo iray. Nifono tamin’ny rambony mainty sy fotsy izy ireo, tsy nihetsika firy, satria, hoy Roland, vao avy nifoha.

A group of men walk through the forest
Lemurs in a tree within a dense forest
Ambony: Polisin’ala manao fisafoana akaikin’i Mahaleotse tamin’ny 19 Septambra. Ambany: Vondrona Maky mifanarona amin’ny hazo iray ao amin’ny tanànan’Ifanato ny ampitso marain’iny. | Garth Cripps ho an’i Vox

Ny Maky dia karazana gidro tandindomin-doza, kanefa tao anatin’ny adiny iray monja tamin’iny maraina iny dia nahita andiany roa samihafa izahay — famantarana fa misy mahomby ny fitantanana. 

Karamaina ireo polisin’ala ireo, saingy nilaza tamiko izy ireo fa na tsy misy vola aza dia mbola hanara-maso ny ala hatrany. Tena zava-dehibe loatra ny tombontsoa omen’ny hazo — toy ny fitaovana hananganana trano sy sekoly, ary ny fampihenana ny mety ho hain-tany, tondra-drano, ary fihotsahan’ny tany. “Tsy resaka vola loatra izany,” hoy Roland tamin’iny maraina iny. “Manana tombontsoa amin’ny fiarovana ny ala isika, tsy ho antsika ihany, fa ho an’ny taranaka faramandimby.”

Ring-tailed lemurs clustered on the side of an orange, rocky cliff
Andiana Maky mitanin’andro amin’ny masoandro vao miposaka akaikin’i Mahaleotse. | Garth Cripps ho an’i Vox

Anisan’ny toerana sarotra indrindra amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana sy ny biby eto an-tany i Madagasikara. Ny korontana ara-politika dia manakana ny fidiran’ny fanampiana avy any ivelany, mampihena ny fanajana lalàna, ary manelingelina ny fizahantany, izay isan’ny loharanom-bola hanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny fitantanana tsy mahomby koa dia mampitombo ny fahantrana. Ary noho io fahantrana io, dia tsy manana safidy firy ny olona afa-tsy ny miantehitra amin’ireo asa manimba ny ala. Ireo no anisan’ny antony mahatonga ny tetikasa maro ataon’ny fikambanana tsy miankina (ONG) ho tsy mahomby, araka ny nosoratako tamin’ny volana Oktobra.

Fa resy lahatra aho fa mahomby ity tetikasa iray ity.

Nilaza tamiko ireo mponina ao Amoron’i Onilahy fa amin’ny ankapobeny, mihatsara ny tontolo eto; misy ala betsaka kokoa, gidro betsaka kokoa, ary rano betsaka kokoa. Vitsy kokoa sy mifangaro anefa ny atontan-kevitra avy amin’ny WWF. Araka ny hita avy amin’ny zanabolana, dia nihena be ny fandripahana ala tao amin’ny faritra arovana teo anelanelan’ny 2015 sy 2020, nitombo indray teo anelanelan’ny 2021 sy 2023, ary avy eo nidina indray tamin’ny 2024. Araka ny WWF, tsy mbola very ala mihitsy i Amoron’i Onilahy tamin’ity taona ity hatramin’ny volana Jona, fotoana farany nisy fanangonana ny atontankevitra. (Tsy mbola nandrefy ny fiverenan’ny ala voajanahary ny WWF.)

Young boys lead cattle along the road in Amoron’i Onilahy.
Zazalahy tanora miraok’omby eny an-dalana ao Amoron’i Onilahy. | Garth Cripps ho an’i Vox

Araka ny filazan’izy ireo, nitombo ny isan’ny Maky sy ny sifaka nanomboka tamin’ny taona 2003.

Tsara hazavaina fa sarotra ny hametraka zavatra toy ity izay hita fa mahomby any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara. Nahazo tombontsoa avy amin’ny fampiasam-bola nandritra ny am-polony taona avy amin’ny WWF i Amoron’i Onilahy. Tsy fahita firy izany, hoy i Gardner. Ny mpamatsy vola dia matetika voasariky ny tetikasa vaovao sy mampientam-po kokoa, fa tsy mijanona amin’ny fanohanana asa iray mitovy mandritra ny taona maro, hoy izy. Ankoatra izany, mipetraka ambonin’ny loharano ambany tany (aquifère) ilay faritra arovana; any amin’ny toerana sasany dia misy rano madio miboiboika mivoaka avy eny ambanin’ny tany. Izany no mahatonga ny fambolena maro ho azo atao eto.Maina loatra any amin’ny toerana hafa.

Aerial view of cropland
Tanimbary ao anaty lohasaha akaikin’ny tanànan’Ambiky. | Garth Cripps ho an’i Vox

Zava-dehibe ihany koa ny manamarika fa ny paikady fifehezana ny fanamboarana arina (charbon) ao Amoron’i Onilahy dia tsy mampihena ny filàna azy io manerana an’i Madagasikara. Raha tsy afaka manapaka hazo eto ny olona, dia mety hanao izany any an-kafa.

Na izany aza, manome lesona lehibe i Amoron’i Onilahy momba ny fomba hanampiana ny fiarovana tontolo iainana mba hahomby amin’ireo faritra sarotra hafa maneran-tany. Zava-dehibe ny fampiasam-bola amin’ny toekarena tsy miorina amin’ny fitrandrahana harena voajanahary, na dia toa tsy mifandraika amin’ny “fiarovana” aza ny fananganana orinasa. Indrindra mihoatra noho izany, hoy i Ranaivo Rasolofoson, mpikaroka ao amin’ny University of Toronto sady manampahaizana momba ny fiarovana ala eto Madagasikara, dia tsy maintsy ny vondron’olona ifotony ihany no mitarika ny asa, fa tsy miankina mandrakizay amin’ny fikambanana ivelany toy ny WWF. 

Tsy dia manana tantara tsara loatra ireo ONG lehibe momba ny tontolo iainana amin’ny famindrana ny fahefana amin’ny olona monina ao amin’ireo tontolo iainana tiany harovana ireo. Ny WWF, amin’ny lafiny iray, dia anisan’ny nanao hadisoana lehibe izay nampifandona ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona. Saingy eto, ny fiarahamonina mihitsy no misafidy ny fomba tiany hiarovana ny ala, ary fanohanana fotsiny no omen’ny WWF.

Ankavia ambony: Nicole Razaiarimanana, hany vehivavy amin’ny polisin’ala ao Amoron’i Onilahy. Ankavanana ambony: Polisin’ala mandeha mamakivaky ala akaikin’i Ifanato. Ambany: Lehilahy iray mijoro ao anaty ala ao Amoron’i Onilahy. | Garth Cripps ho an’i Vox

“Izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny ataony sy ny fanapahan-keviny,” hoy i Ratsifandrihamanana raha mireska momba ireo mponina any an-toerana. “Tena tianay izy ireo ho mpitarika, handray andraikitra.”

Avy tao Mahaleotse, dia nandeha nankany amin’ny tanàna hafa izahay, nijanona teny an-dalana teo amin’ny toerana masina iray natokana ho an’i Masimbavy Therezy. Nisy sarivongana kelin’i Therezy napetraka tao anatin’ny lavabato voajanahary eo amin’ny sisin’ny hantsana, eo ambonina dobo kely misy loharano miboiboika. Ny Katôlika no sampana kristianina lehibe indrindra eto Madagasikara, ary, araka ny nolazaina tamiko, misy mpivavaka mafana fo indraindray manao fivahinianana masina mankaty amin’ity toerana ity.

Eto no nahitako ilay sifaka, izay lasa traikefa nanaitra ny fanahy manokana ihany koa.

People seen in a distance through dense forest
Hazo lava manodidina ireo dobo misy loharano miboiboika akaikin’ny tanànan’Ifanato ao Amoron’i Onilahy. | Garth Cripps ho an’i Vox

Voalohany nahita ireo biby ireo aho tamin’ny fandaharana momba ny natiora tao amin’ny BBC efa ho roapolo taona lasa izay. Nahavariana be izy ireo, mitsambikina avy amin’ny hazo iray mankany amin’ny hazo iray hafa haingana be, tahaka ny baolina ping-pong mitsambikina eo amin’ny rakety. Mbola reko ao an-dohako hatrany ny feon’i David Attenborough rehefa mieritreritra azy ireo aho.

Tamin’izany fotoana izany, nieritreritra aho fa, araka ny nasehon’ny fandaharana momba ny natiora, ny biby any amin’ny toerana tahaka izao dia miaina any anaty ala midadasika, lavitra ny olona. Kanefa tsy toy izany akory no tena iainan’ireo biby ireo. Ary mbola tsy niaina toy izany mihitsy aza izy ireo. 

Nifanatrika tamiko teo amin’ny toerana masina iray eo anelanelan’ny tanàna roa ity gidro tandindomin-doza mafy ity. Mifampizara toerana iray ny olona sy ny biby eto, ka araka ny lojika dia tsy maintsy mandinika ny filàn’ny roa tonta ny fomba fiarovana azy ireo raha tiana hahomby.

The post Miharingana ny gidro maneran-tany. Ity no hany fomba hamonjena azy ireo. appeared first on Vox.

Uber’s latest play for ad dollars: turning data about your trips and takeout into insights for marketers
News

Uber’s latest play for ad dollars: turning data about your trips and takeout into insights for marketers

by Business Insider
December 8, 2025

Uber offers ads in its app, on in-car screens, and on vehicles. Artur Widak/NurPhoto via Getty ImagesUber is launching an ...

Read more
News

AI is rewriting the rules of work. Our job is to shape what comes next

December 8, 2025
News

Marjorie Taylor Greene Says Republicans Mocked Trump Behind His Back in Explosive New Interview

December 8, 2025
News

Frank Gehry’s Best Work Was Not His Flashiest

December 8, 2025
News

What Your Spotify Wrapped Listening Age Says About You, Whether You Like It or Not

December 8, 2025
Execs Have Grim Warning for Consumers About Looming Trump Price Hikes

Execs Have Grim Warning for Consumers About Looming Trump Price Hikes

December 8, 2025
Colin Allred drops out of Texas Senate race

Colin Allred drops out of Texas Senate race

December 8, 2025
Mamdani’s Plans Rely on New York’s Wealthiest

Mamdani’s Plans Rely on New York’s Wealthiest

December 8, 2025

DNYUZ © 2025

No Result
View All Result

DNYUZ © 2025